Nanome 72 ora ny fanjakana ireo mpampianatra tsy miankina mba hamahana ny olan’izy ireo. Raha tsiahivina, tsy mbola nisitraka ny fanampiana avy amin’ny fanjakana foibe ireo mpampianatra eny anivon’ny sekoly tsy miankina hatramin’izao. Tsy manana vahaolana haroso ireo tompona sekoly tsy miankina noho ny tsy fisian’ny sarampianarana izay hany vola miditra ho azy ireo.
Mizana tsindrian’ila ?
Tsy hay afenina toy ny tafika andrefan-tanàna, fa nisitraka fanampiana avy amin’ny fanjakana ireo mpampianatra eo anivon’ny sekolim-panjakana. Hatreto anefa, tsy mbola nahazo izany ireo mpampianatra misehatra eny amin’ny sekoly tsy miankina. Tsy handrenesam-peo na fanazavana manodidina izany ny Minisitra miahy ny tontolon’ny fanabeazam-pirenena. Velom-panontaniana, araka izany, ireo mpampianatra tsy miankina ny amin’ny mety isian’ny mizana tsindrian’ila eo amin’ny fiahiana ireo samy mpanabe eto Madagasikara. Vahaolana naroson’ny mpampianatra tsy mainkina ny hanoloran’ny fanjakana solon-karama ho azy ireo. Efa mihatra aman’aina tokoa mantsy ny olana sedrain’izy ireo amin’ny fiatrehana sy fampihodinana ny fiainana andavanandro.
Mety ho endrika tsy fananana traikefa sy fahaiza-manao amin’ny famahana krizy avy amin’ireo tomponandraikitra ny endrin-javatra tahaka izao na koa fizahana tavanolona tsotra izao, hoy ireo mpanara-baovao naneho ny heviny sendra anay. Ny mahavariana, mailaka ny minisiteran’ny fampianarana miantso ireo mpampianatra amin’ny sekoly tsy miankina rehefa hanatanteraka ireo fanadinam-panjakana, fa tsy fantatry ny fanjakana foibe ny fisiany rehefa mandia vanimpotoana sarotra tahaka izao izy ireo.


