Nanomboka ny alakamisy 12 febroary ka hifarana ny alahady 15 febroary 2026 dia hanatanteraka voin-kava-mahatratra eo anoloan’ny Lapan’ny Tanàna Analakely ny avy ao amin’ny Kaominina Antananarivo. Fanoloran-tanana izay anjara biriky entin’ity Kaominina ity hanampiana ireo any Toamasina tamin’ny fitondrana takaitra tamin’ny fandalovan’ny rivodoza GEZANI. Manentana ny tsirairay amin’ny alalan’ny antso ny Ben’ny tanànan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, Ramanantsoa Harilala, mba hitondra izay vitany amin’izao fanehoana firaisan-kina izao. Ankoatra izay dia hanohana ireo mponina any Toamasina ihany koa ny avy ao amin’ny Sampana Mpamonjy Voina eto amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, araka ny fanazavana voaray.


