RAMASY Olon’ny Fanatanjahatena sy ny Politika

Randrianirina Jean Ignace, fantatra eo amin’ny sehatra fanaovana politika sy ny taranjam-panatanjahatena baolina kitra amin’ilay solonaranara hoe : Ramasy. Anisan’ireo efa nitondra avo ny fanevan’i Madagasikara teo amin’ny baolina kitra tamin’ny taona 80-90. Efa anisan’ny ekipam-pirenena niatrika ny lalao antsasa-dalana tamin’ny fiadiana ny amboaran’ny Afrika isika tamin’ny androny. Ramasy ihany koa no filohan’ny K2HB « Komity Hamerina ny Hasin’ny Baolina kitra ».

Eo amin’ny sehatra politika, azo ambara ho « Mpitolona » sady avara-pianarana (manam-pahaizana) i Ramasy. Anisan’ny namolavola azy ary toy ny sekoly nentiny nandalina ny taranja politika ny Antoko MFM. Ny taona 1980 ny lehilahy no efa mpikambana teo anivon’ity antoko ity. Nampiavaka an-dRamasy ny fanajany hatrany ny rafim-pandaminana, ny rafitra ary fady ho azy ny nandingana ireo ambaratongam-pitondrana. Ny antoko MFM izay nisedra foto-kevitra miisa roa nifandimby dia ny «fanjakan’ny madinika » sy ny « fanalalahana sy lamina demokratika nosktra tamin’izao tontolo izao, nahafahana nandrodanana ny Repoblika faha-II ny taona 1991. Mpikambana feno tao amin’ny « International libéral » sy ny « Reseau Liberal Africain », ny taona 2006 i Ramasy. Izy ihany koa no anisan’ireo filoha mpiara-mitantana ny Antoko MFM ankehitriny.

Nandray anjara mavitrika tamin’ny fanaganana ny Vondrona Panorama, ny taona 2019 izay ahitana antoko sy fikambanana miisa 17, izay i Ramasy no iray amin’ireo filoha mpiara-mitantana azy. Anisan’ny tompon-kevitra tamin’ilay fanentanana nanao hoe : « Diovy aloha ny tokotany » vao miatrika fifidianana i Randrianirina Jean Ignace. Ity farany izay anisan’ny mpikambana teo anivon’ny « Apogenies » izay natsangan’ureo teratany malagasy monina any Dilambato sy ireo Antoko politika lehibe eto Madagasikara « Dago ». Ara-tarehimarika, niatrika fifidianana miisa sivy teto Madagasikara i Ramasy. Indroa izy no voafidy tao anatin’izay. Fanimpolony amin’ity fifidianana ben’ny tanàna sy mpanolontsaina, hatao, ny 11 desambra 2024 ho avy izao ity, araka izany, i Ramasy no hisedra fifidianana. Marihana fa  Sendikalista eo anivon’ny Tolon’ny Mpiasa « TM » izay manitsaka ny faha- valo ambiny roampolo taona naha mpikamabana azy i Ramasy ankehitriny. Nitondra anjara biriky lehibe tamin’ny fanatsarana bebe kokoa hatrany ny fiainan’ny mpiasa tamin’ny alalan’ny fampiasana ny « Dialogue social » ny lehilahy. Nahasahy nandrava ny tsy refesi-mandidy nataon’ireo Vazaha mena sofina. Ankehitriny i Randrianirina Jean Ignace no mitarika ny lisitry ny mpanolontsaina amin’ny anaran’ny « Ambavahaditokana tsimialonjafy » Nomarihan’i Ramasy nandritra ny tafa nifanaovanay taminy fa ilaina ny mahitsy, ny fananana fahasahiana manova, ny fijoroana amin’ny marina ary ny tsy fanekena lembenana amin’ny tsy rariny izay miseho amin’ny endrika maro. Ilaina mandrakarivba koa anefa, hoy hatrany izy ny mifampiresaka sy midinika mba ho antoka hisian’ny tena fampandrosoana. « Ndao !! foin’ny Zanahary tia fandrosoana i Madagasikara »

Vous aimerez aussi