SAKOROKA TENY AMBOHITRIMANJAKA : Zandary 3 naratra, olon-tsotra iray tapa-tongotra

4 no naratra mafy, ka 3 tamin’ireo no zandary. 9 kosa no olon-tsotra voasambotra ka 5 no nalefa nody, taorian’ny fanadihadiana azy ireo. Izany no vokatry ny sakoroka nitranga teny Ambohitrimanjaka, omaly. Toerana mbola mahabe resaka noho ny fanakanan’ny mponina eny ny hanotofona ny tanimbariny, noho ny toerana hanaovana ny Tanamasoandro, vinan’ny Filoham-pirenena ho amin’ny tanàna vaovao.

Nanomboka tamin’ny 4ora tolakandro ka hatramin’ny 7 ora hariva ny sakoroka, hoy ny fanazavan’ny Kolonely Ravoavy Zafisambatra, tompon’andraikitry ny loharanom-baovao eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena.

Fanimbana fitaovana

Fanimbana ireo fitaovana sy kojakoja hanamboarina foto-drafitrasa sy hanaovana ny fanotofana, ka nanariana izany tany amin’ny ranon’Ikopa no niandohan’ny raharaha. Nisy, noho izany, ny zandary nalefa teny an-toerana mba hijery sy hamantatra ireo olona nanao izany. Nitangorona anefa ny vahoaka ka nisy ny nanao herisetra nihatra tamin’ireo mpitandro filaminana.

Raikitra teo ny sakoroka

Nisy, araka izany, ny fampiasan’ireo zandary baomba mandatsa-dranomaso sy fanapoahana basy noho ny havitsian’izy ireo.
Nitohy hatrany ny sakoroka rehefa injay tonga ireo zandary nanampy tosika ireo namany ary nisy ny fisamborana.

Niakatra ny hafanana tamin’ny fitakiana ny hamotsorana ireo voasambotra ka velona ny tora-bato.

Mbola nanampy ny baomba lakrimozena anefa ny zandary kanefa tsy nihemotra ny olona ka vao mainka niha-nasiaka ny roa tonta. Ary dia niharan’ny herisetra hatramin’ny mpanao gazety nanao ny asany, noho ny fakan’ny zandary an-kery ny fakan-tsariny ka namafana ireo sary tanatin’izany.

Efa nentina teny amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha moa ireo naratra, izay anisan’izany ny zandary iray naratra mafy tokoa.

Latsaka ny rà

Latsaka ny rà, araka izany,  teny Ambohitrimanjaka. Teny efa nambara hatrizay io, ka amoizan’ny sasany ho raharaha politika. Fiarovana ny zony amin’ny fanakanana ny fanotofana ny tanimbariny kosa anefa,hoy ny hafa.

Efa maro ny olona no nihevitra ity raharaha ity ho tsy vita mora foana, satria dodoria ny fangatahan’ny fitondrana         ireo tanimbarin’ny mponina, eny na dia eo aza ny fanambatambazana samihafa amin’ny hanomezana azy ireo asa, sns …

Tsy vitsy koa anefa ny mponina no miziriziry amin’ny fananany.
Raha atao ny fandalinana dia tsy hain’ny mpitondra ny nanomana ny sain’ny vahoaka, hany ka nanjary nanahirana ny raharaha.

Ambetitenin’ireo tompon’andraikitra samihafa ny tokony hisian’ny fifampiraharana amin’ny fifampiresahana madio ny amin’ity vina kasaina hatao ity.

Vous aimerez aussi