SAVONY-CORONAVIRUS : Niakatra 07 % ny tahan’ny varotra

Nahitana fiakarana hatrany amin’ny 07 % ny tahan’ny varotra savony eto Madagasikara, tao anatin’ny vanimpotoana nisian’ny covid- 19 teto an-tanindrazana. Tsikaritra ihany koa fa nisy fisongam-bidy hatrany amin’ny 500 Ar isaky ny baoritra ny vidin’ny savony eny amin’ireo mpaninjara.

« Tsy takatry ny kely vola »

Maro amin’ny Malagasy no tsy mahatakatra mividy savony intsony ao anatin’izao vanimpotoana sarotra lalovan’ny firenena noho ny valanaretina covid- 19 izao. Re ombieny ombieny anefa ny fanentanana amin’ny tokony hanasana tanana matetika amin’ny rano sy ny savony hisoroahana ny fipariahan’ny covid- 19. Maro amin’ireo olona sahirana eto an-drenivohitra sy any amin’ny faritra no efa nanao antso avo ny amin’ny tokony hizarana maimaimpoana ny  savony ho azy ireo. Tsy ny savony ihany anefa no olana ho an’ny Malagasy ny manjifa azy fa eo ihany koa ny fahasarotana amin’ny fitadiavana ny rano ampiasaina ami’ny fiainana andavanandro. Ny rano izay antoky ny aina nefa dia mbola sandaina vola ihany koa ho an-dRamalagasy anatin’ny fahasahiranana lalina. Anisan’ny antom-pisian’ny fanjakana ny fiahiana ny vahoaka eo amin’ny lafiny sosialy.

Vous aimerez aussi