Feno 200 taona katroka amin’ity taona ity ny Trano Printy (Imprimerie) FJKM Imarivolanitra. Teny Fanevan’izany Jobily faha-200 taona izany, ny andinin-tSoratra Masina ao amin’ny Apokalipsy 1/11, manao hoe: “Izay zavatra hitanao dia soraty eo amin’ny boky ka ampitondray ho any amin’ny Fiangonana.”
Tsangam-baton’ny faha-200 taona, ny fampitaovana ny Trano Printy FJKM Imarivolanitra, amin’ny alalan’ireo milina mifanaraka amin’ny vanim-potoanan’ny ankehitriny. Ny Trano Printy FJKM Imarivolanitra no Trano Printy voalohany indrindra teto Madagasikara. Ny alahady 17 aogositra 2025 no efa notontosaina tany amin’ny FJKM Salema Vaovao Taolagnaro, ny fanompoam-pivavahana fanokafana tamin’ny fomba ofisialy, ny fankalazana ity Jobily faha-200 taonan’ny Trano Printy FJKM Imarivolanitra ity. Notohizana tamin’ny fitondrana am-bavaka, izany, ny alahady 8 febroary 2026, teny amin’ny FJKM Faravohitra. Fotoana izay nanasana ny zanaky ny FJKM rehetra. Tonga nanotrona izany ny Talen’ny Trano Printy FJKM Imarivolanitra, Randrianarisoa Herimanitra, mivady. Nitarika ny fotoana tamin’io alahady 8 febroary 2026 io, Razarasoa Raherimanana Andrianomenjanahary Sylasy, Mpitandrina, izay sady Filohan’ny Filan-kevi-pitantanana ny Trano Printy FJKM Imarivolanitra.
Hotanterahana eny amin’ny FJKM Tranovato Ambatonakanga, ny ivon’ny Jobily fankalazana, ny alahady 21 jona 2026 tolakandro. Eny amin’ny “Paroisse Internationale” Andohalo, ny sabotsy 20 jona 2026 maraina. Tonga teto Madagasikara, ny mpahay printy, i Charles Hovenden, ny 21 novambra 1826. Izy izay nitondra voalohany, ny fanaovam-printy, avy tamin’ny Foibe “London Missionary Society” na ny (LMS), tamin’io fotoana io. Tamin’ny volana desambra 1827, no vita printy voalohany teto Madagasikara, ny andinin-tSoratra Masina Genesisy Toko I andininy 1-23. Ny 21 jona 1835 no vita printy manontolo ny Baiboly tamin’ny teny Malagasy. Niompanan’ny asan’ireo Misionera LMS, tonga teto Madagasikara, tamin’ny taona 1818, ny fananganana Trano Printy nanontana ny Baiboly sy ireo trakta Fitoriana ny Filazantsara, araka ny fanazavan’ny Talen’ny Trano Printy FJKM Imarivolanitra, Randrianarisoa Herimanitra.


