Elaela tsy tazana sy heno ny tarika Tempo Gaigy sy 3 Isan-jato ! Samy nanana ny lazany tany amin’ny taona 2000 ary mbola maro mpankafy mandraka ankehitriny. Nofinidin’ny « Espace MG », etsy Ambohimangakely By pass, hanafana ny lanonana ombana sakafo ho famaranana ny taona ary hitsenana ny taona vaovao 2023 ampifaliana sy anatin’ny haravoana, ny alin’ny 31 desambra ho avy izao, izy ireo.
Haharitra adim-pamataranandro 06 ny fiarahana amin’ireto tarika ireto, hoy Ramatoa Vola, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny « Espace MG » By pass Ambohimangakely. Samy ho vazoin’izy ireo eny an-toerana avokoa ireo sanganasa nahafantarana ny tarika Tempo Gaigy sy 3 Isan-jato. Ampahany amin’izany ny « Ramose tantanta », « Hotsaroako foana » sy ny « Madama anie manjamanja »…
Ankoatry ny fankafizana ny seho iarahana amin’izy ireo dia namarika ny mpikarakara fa natao amin’ny vidiny mirary sy sahaza ny rehetra ny vidim-pidirana sy ny saran’ireo sakafo sy ireo zava-pisotro. Azo antoka tanteraka ny fahalemana. Hisalotra ny kanto ary hianjaika ny meva, araka izany, ireo hiazo an’Ambohimangkely, ny alin’ny 31 desambra izao. Samy tsy hisy ho diso anjara tokoa.


