Hatramin’izao dia mbola hita ho mampisambaditaka eny anivon’ny fiarahamonina ny tsy fahatomombanan’ireo tohana ara-tsosialy isan-karazany nampanantenain’ny fitondrana hamatsiana ny isan-tokantrano ao anatin’izao hamehana ara-pahasalamana izao. Vinany Itaosy, Betongolo ary saika ireo fokontany sy elakelan-trano eto Antananarivo dia ahenoana fa mbola maro ireo tsy nahazo izany fanampiana izany. Efa hatrany am-boalohany ireo olona niditra tao anatin’ilay komity atao hoe Loharano no nitaraina fa miteraka ady ara-piarahamonina izy ity. Ireo komity no mahazo loza any amin’ireo mponina kanefa ny vatsy tonga no tsy ampy mizara. Io koa fa lasa mampiady ny fiarahamonina ankehitriny ny tohana ara-tsosialy isan-karazany.


