TONTOLON’NY FIZAHANTANY SY IREO ZAVA-BOAHARY : Misedra olana noho ny covid 19

Misedra olana ny tontolon’ny fizahan-tany, noho ny tsy fisian’ireo mpizaha-tany tonga eto amintsika sy mitsidika ireo valan-java-boahary. Antony, ny fisian’ilay valan’aretina coronavirus eto amintsika. Tsy ny fizahantany ihany no misedra olana, fa eo ihany koa ireo zava-boahary any amin’ny valan-java-boahary sy ireo karazana biby manome endrika ny Parc sy eny amin’ny toera-manan-tantara eo amin’ny sehatry ny fizahantany, sns. Noho izany, misy fiatraikany eo amin’ny ara-olona ny fizahantany, satria mihiboka noho io covid19 io. Misy koa ny olana eo amin’ny olona sy ny zava-boahary. Tsy misy mpizahan-tany izay tokony hijery izany. Tsy misy mijery koa ireo karazana biby sy zava-boahary.  Noho izany tsy maintsy misy ny fiarovana ireo biby sy zava-boahary ireo. Misy ireo karazana aretina mety mifidra amin’ny biby ary ahiana hamindra any amin’ny zava-boahary ity aretina coronavirus ity, hoy ny fanazavan’ny mpisera-dia. Tsy maintsy hivaha izao olan’ny fizahantany izao ary hihamaro ireo mpizahan-tany ho tonga eto amintsika, hoy ny tatitra azo ary efa eo am-pijerena ny famahana ny olana ny fitondram-panjakana amin’izao, satria amin’ity herinandro ity dia hihaona amin’ireo mpandraharaha amin’ny sehatra fizahantany ny filohampirenena araka ny fampanantenana nataony ny herinandro teo, hoy ny fanazavana.

Vous aimerez aussi