Nahitsy fiteny ny filohan’ny “Tanora Miandrandra ny Ho avy” na ny TMH, Rafidimanana Desiré, fa tokony hametra-pialana avokoa ireo solombavambahoaka sy ny Ben’ny tanàna lany tamin’ny antoko Tim rehetra. Nambarany, fa ireo olom-bofidy tamin’ireo antoko ireo, dia mitaky ny hamerenana ny fifidianana, satria, hoe tsy ara-dalàna ny fifidianana rehetra natao teto, taorian’ny fanambarana sy ny namoahan’ny filoha lefitry ny Ceni teo aloha Thierry Rakotonarivo momba ny karapanondro an-tapitrisany misy laharana mitovy. Eo koa ny fisian’ny anarana miverina in-droa tao anaty lisi-pifidianana. Ampamoaka nataon’ny filoha lefitry ny Ceni iny, araka ny fantatra. Araka ny fanazavan’ny filohan’ny antoko TMH, ny maro an’isa hatrany no lany tamin’ny fifidianana nifandimby teo. Anisan’ireny ny nahalany ny Filohampirenena Andry Rajoelina. Nandeha koa ny fifidianana depiote, mbola lany ny maro an’isa, tamin’ny alalan’ny IRD. Nifidy ny Ben’ny tanàna koa ny vahoaka, dia mbola lany ny IRK. Amin’izao fotoana izao anefa dia mitaky ny hamerenana ny fifidianana rehetra ny antoko TIM sy ny antoko politika hafa tsy lany izay niray feo, ka nambaran’ny filohan’ny TMH, fa aoka tsy haodinkodina intsony ny saim-bahoaka. Aoka tsy hampidirina anaty krizy intsony ny firenena. Aleo hiasa izao fitondrana izao. Izany no mahatonga ny antoko TMH manohana ny fitondrana sy ny Filohampirenena amperin’asa. Antsaharo ny antsonjay sy ny fanosora-potaka atao amin’izao fitondrana izao. Aleo hiasa sy hanapitra ny fe-potoam-piasany ny Filohampirenena sy ny governemanta miaraka aminy, hoy Rafidimanana Desiré, filohan’ny antoko TMH.


