Nahitana fiakarany ny vidin’ny vary eny an-tsena amin’izao fotoana izao. Saika nahitana fiakarany 100 sy 200 ariary izany. Raha 1900 ariary ny iray kilao amin’ny vary gasy, dia lasa 2100 ariary izany amin’izao. Ny vary makalioka lasa 2200 ariary, raha 2000 ariary ny iray kilao teo aloha. Nahitana fiakarany ihany koa ny vidin’ny menaka sy ny siramamy. Saika ireo zavatra ilaina andavanandro no nahitana fiakarany ary mikaikaika amin’izany ireo vahoaka madinika. Araka ny fanazavana voaray, dia mety manararaotra amin’ilay valan’aretina Coronavirus ireo mpambongady sy mpaninjara, satria mety ahiana ny tsy fisian’ny vary eny amin’ny mpamokatra. Efa nilaza sy nanao fanambarana ny Filohampirenena, ny faran’ny herinandro teo, fa raha sanatria ka tonga eto amintsika io aretina io, dia efa vonona ny hiatrika an’izany ny fitondram-panjakana. Ampy ihany koa ny fanafody, ny PPN, ny solika, ka tsy misy ny atahorana. Tokony hanaraka ny toro-marika avy amin’ny fitondram-panjakana ny vahoaka, fa tsy handairan’ny tsaho miely, mikasika io aretina io, indrindra ny zavatra ilaina andavanandro. Na dia nisy aza ny fiakaran’ny vidin’ny PPN dia efa nijery akaiky izany ny ministry ny varotra sy ny fanjifana. Ho hentitra koa ny sazy ho an’ireo izay manararaotra amin’ny fampiakarana ny vidin’ny entana, hoy hatrany ny fanazavana voaray. Hatreto aloha dia mbola tsy tonga eto amintsika io valan’aretina Coronavirus io, hoy ny Filohampirenena ny faran’ny herinandro teo.


