BAKALOREA FIHODINANA FAHAROA : Nisongadina ny mpiadina tsy tonga

Saika nahitana fahabangana avokoa ny foibem-panadinana manerana ny nosy, noho ny tsy fahatongavan’ireo mpiadina sasantsany tamin’ity bakalorea fihodinana faharoa manokana, izay nanomboka ny maraina teo ity.

Raha 97 136 araka izany ireo mpiadina mananjo sy afaka miatrika ity fihodinana faharoa ity dia azo ambara ho latsaka ambany noho izany no tonga niatrika izany. Voalaza rahateo fa tsy an-tery ny fiatrehana ity fanadinana ity fa afaka miandry ny taom-pianarana manaraka indray ny mpiadina, araka izay safidiny. Ho an’ny tetsy Ampefiloha fotsiny, ohatra, dia 98 tamin’ireo 1 493 no tsy tonga ary saika nahitana izany avokoa ny foibem-panadinana maro manerana ny nosy.

Asa na noho ny lanjan’izany fihodinana faharoa izany no nampisongadina ny tsy fahatongavan’ireo mpiadina na ahoana, fa eo rahateo ihany koa ny olana ara-tsolika izay misy fiantraikany lehibe eo amin’ny ara-tsosialy, raha ny eto an-drenivohitra manokana no resahina.

Na izany aza, nizotra tsara ny fanadinana izay nanomboka tamin’ny 7 ora sy sasany maraina teo, izay tsy hifarana moa fa raha tsy ny sabotsy 26 oktobra ho avy izao.

Hivaly tsy ho ela

Amin’ny herinandro dia hiroso sahady amin’ny fitsarana ny fanadinana ireo tompon’andraikitra ka ny herinandro manaraka an’io no hivoaka ny valim-panadinana. Mety ho mialoha izany anefa dia ho vita ny fitsarana ireo kopia satria ny 58%-n’ireo sisa no miatrika izao fihodinana manokana izao.

Tahaka ny mahazatra moa dia ny taranja filozofia no nanokatra ny fanadinana. Laza adina izay nambaran’ireo mpiadina fa nitovy tamin’ny fihodinana voalohany ihany raha ny fahasarotany no lazaina.

Vous aimerez aussi