Rodon-kiran’ny mpanakanto maro narahin’ny feon-gitara no nitsena ny fahatongavan’ny tranovorona nitondra ny vata mangatsiakan’i Fafah niroso tao amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena sy ny Kolontsaina, ny maraina teo. Nilona tao anatin’ny fihetsehampo tanteraka ny mpanatrika, ny mpankafy, ny mpanakanto, ny namana sy ny fianakaviana, izay tonga maro tokoa, satria nahabangana ny kanto malagasy, izay tsy ho an’ny tarika Mahaleo ihany fa ho an’ny Malagasy tsivakivolo.
Mari-pankasitrahana
Amin’ny maha mpanatalenta tsy zoviana amin’ny maro an’i Fafah dia tsy nitaza-potsiny ny maha-izy azy ny Fitondram-panjakana. Araka izany dia notolorany ny mari-pankasitrahana Grand Officier de l’Ordre National ity mpanakanto ity. Ny Praiminisitra Ntsay Christian, izay notronin’ireo mpikambana ao amin’ny governemanta no nisolo ny Filoha faratampon’ny mari-boninahi-pirenena, nanolotra izany.
Nisy ihany koa ny fampaherezana nataon’ny Fitondrana ny fianakavian’ny mana-manjo, noho izao fahalasanan’ny mpana-talenta izao.
Nanolotra fisaorana ny Fitondram-panjakana, ny vahoaka malagasy, ireo mpanakanto maro sy mpakafy an’i Fafah moa ny solontenam-pianakaviana tamin’izao fotoana nanaovam-belona farany azy tao amin’ny Lapan’ny Kolontsaina izao.
Nifandimby niaka-tsehatra ho fanaovam-beloma farany kosa ireo mpanakanto maro izay nanolotra hira sy tononkalo.

Nihazo ny Fiangonana
Nizotra nihazo ny FJKM Tranovato Faravohitra moa ny rehetra ny antoandro, mba hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra sy ho fampaherezana ny fianakaviany, mialoha ny nametrahana azy eny Rangaina Ilafy, misy ny fasan-drazany.


Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.

