Baolina miisa dimy (5) indray no matin’i Carolus ny alin’ny zomà lasa teo, nandritra ny fifanitsanana hiadiana ny Amboaran’i Arabia Saodita.
Mitontaly 8 ny baolina nampidirin’ny Al-Adalah ekipany raha tsy nitoko kosa ny mpifanandrina taminy, ny Al-Rawdhah.
Vao 3 minitra nilalaovana no nahafatesan’i Carolus ny baolina voalohany. Nahatafiditra ny fanindroany indray izy ny faha-33 mn. Ary 1 mn monja taorian’izany ny namonoany ny fahatelo.
Ny faha-45 sy 61 mn kosa no nampidirany ny fahefatra sy fahadimy.
Samy hafa kosa ireo mpiara-dia aminy namono ny baolina telo hafa, izay nahatonga ny lalao hifarana teo amin’ny 8-0.
Taorian’ny namontsanany ny ekipan’i Niger teto amintsika dia mbola noporofoiny tamin’ny fiarahany amin’ny ekipany any ivelany fa manana ny lanjany sy ny ho aviny eo amin’ity taranja ity i Carolus.
Manana talenta eo amin’ny baolina kitra ny Malagasy ka tokony harahi-maso akaiky ireny katita sy tanora mpilalao isam-pokontany manerana ny nosy ireny.

Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.

