KARATRY NY MPANAO GAZETY : Hajoro ny komity hanomana izany

Tsy nisy ny fakana hevitra nananganana ireo komity namoaka ny karatra teo aloha. Izany no nahatonga ny Ministera tompon’andraikitra hanitsy izany. Noho izany, haverina ny dingana fanomezana izany ho an’ny mpanao gazety matihanina eto Madagasikara, hoy ny Minisitra androany.

Samy hanolotra solontena

Efa eny amin’ny Primatiora ny laharan’ny didim-pitondrana ahafahana manangana izay komity hanomana ny fandrafetana  karatra vaovao ho an’ny mpanao gazety izany. Koa ny làlana mikasika ny fifandraisana sy ny serasera ihany no ampiharina amin’izany.

Hisy, noho izany, ny fiantsoana ny tompon’ny orinasa fanaovan-gazety, ny mpanao gazety, ny  Holafitra, ny avy amin’ny Ministera,…ka izy ireo ihany no hifidy izay ho solontenany handrafitra ny komity.

Ho tombanana ho vita amin’ny volana janoary any ho any ny fananganana ity komity ity ka hirosoana ny fanavaozana sy ny fizarana ny karatra. Ary hotanterahina avy eo ny fifidianana izay ho filohan’ny Holafitra vaovao.

Vous aimerez aussi