Niampy 3 ireo namoy ny ainy, noho ny valanaretina coronavirus, araka ny filazana ofisialy androany. Samy tao amin’ny hopitalin’i Morafeno Toamasina avokoa izy ireo ary samy diabetika avokoa.
Vehivavy 52 taona ny iray, lehilahy kosa ny roa, izay 73 sy 43 taona.
5 noho izany ny isan’ireo lavon’ity aretina ity teto amintsika.
42 kosa no isan’ny tranga vaovao, ka ny 1 teto Antananarivo, 1 Tsiroanomandidy. 39 kosa tao Toamasina ary 1 tao Moramanga.
698, araka izany no voa teto hatrizay.
10 kosa no sitrana tamin’ity andro ity, ka ny 8 tao Toamasina, 2 teto Antananarivo.
Miisa 529 kosa no mbola manaraka fitsaboana, ka ny 9 amin’ireo ny manana toe-pahasalamana mananosarotra.
Areti-mandoza
Hita, araka izao fa mahafaty tokoa ity valanaretina ity ka tsy azo sangiana loatra. Ny tsi-fanajana ny fepetra tokony ho raisina ihany anefa no mampidi-doza.
Mbola ato anatin’ny ady tanteraka ny firenena raha ity coronavirus ity no asian-teny. Tokony ho tonga saina ny rehetra manoloana ny fipariahany tato ho ato.
Efa diso fantatra loatra ny hoe : aleo misoroka toy izay mitsabo. Mila manamafy ny fepetra efa nomena hatrizay ny tsirairay avy.


