JENERALY RICHARD RAVALOMANANA : Tsy maintsy gadraina ireo zandary jiolahy, tsy hijerena havana

Nafana ny fifampiresahana teo anivon’ny Antenimierampirenena sy ny mpikambana tao amin’ny governemanta, teny amin’ny “Centre de Conférences International” teny Ivato na CCI. Ho an’ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria, ny jeneraly Richard Ravalomanana, fa nahatratra 84 ireo zandary no nigadra amin’izao fotoana izao, maharary anie izany, hoy izy. Tsy hijerena havana na akama izany, hoy ny SEG, omaly raha nandray fitenenana nanoloana an’ireo solombavambahoaka. Nahitsy fiteny ihany koa ny SEG tamin’io, fa raha mbola misy zandary manao jiolahy na miray tsikombakomba amin’ny olon-dratsy dia tsy maintsy ampidirina am-ponja sy handraisana fepetra ary tsy ho raisina ho isan’ny zandary intsony. Tsy nanaiky ny hiresahana momba ny “Immunité parlemantaire” koa ireo depiote nivory teny amin’ny CCI Ivato. Taorian’ny fandraisam-pitenenan’ ny SEG moa dia nilaza ireo solombavambahoaka, fa tsy tokony hiatrika ity fivoriana ity intsony  ny jeneraly Richard Ravalomanana. Nilaza ny Praiministra Ntsay Christian, fa ny Lalàmpanorenana no mamaritra, fa tsy maintsy manatrika ny fivoriana eo anivon’ny Antenimierampirenena ny ministra mpikambana ao anatin’ny governemanta, koa raha sanatria tsy navela hanatrika ny fivoriana ny SEG dia hivoaka avokoa ireo mpikambana ao amin’ny governemanta rehetra, hoy ny Praiministra. Hitohy ny talata ho avy izao moa ny fihaonana eo amin’ny roa tonta, raha ny tatitra voaray teny an-toerana hatrany.

Vous aimerez aussi