60 no isan’ny olona vaovao mitondra ny tsimokaretina coronavirus, araka ny fanambarana ofisialy androany. 758 izany no isan’izy ireo hatrizay.
Nahitana tranga 17 teto Antananarivo, 17 Toamasina, 5 Fenoarivo Atsinanana, 3 Moramanga,…
Nisy koa anefa ny olona 1 sitrana, ka mitontaly 165 izy ireo.
587 izany ny isan’ireo mbola tsaboina, ka 8 amin’izy ireo no manana toe-pahasalamana sarotsarotra.
1 kosa no namoy ny aina androany, izay mitontaly 6 izy ireo hatrizay.
Mitombo sy mihanaka
Mitombo ary mihanaka ny fielezan’ity otrikaretina ity ankehitriny. Mitombo rahateo ny isan’ny fitiliana atao, izay mitontaly 10 752 no vita hatrizay.
Raha tombanana ho bebe kokoa, noho izany, ny fitiliana hatao dia ho bebe ihany koa ny olona mety ahitana ny soritraretina. Midika izany fa misy ny olona hita salama kanefa mitondra ny valanaretina any anaty fiaraha-monina any.
Mila hamafisina, araka izany, ny fiarovantenan’ny tsirairay mba tsy handripaka antsika eto ity valanaretina ity. Tsy tokony hadino ny fepetra rehetra dia ny misarotava, ny misasa tànana matetika, ny fielanelanana iray metatra.


