FIARA COVID-19 : Tsy voaefan’ny Fanjakana ny hofany

Velon-taraina ny orinasa mpampanofa fiara, izay nampiasan’ny Fanjakana, nanomboka tamin’ny fisian’ny ady amin’ny valanaretina coronavirus.

Tsy mbola naloan’ny Fitondrana manko ny hofan’ny fiara miisa 50 nampiasaina hatrizay.

Diso  fandaharana ny amin’izay tokony ho laharam-pahamehana ny mpanapa-kevitra eto amin’ny firenena. Na eo amin’ny fitantanam-bola izany na eo amin’ny fitantanana ny raharaham-panjakana. Tsy fantany intsony izay tokony hatao. Na izany aza, mitaky ny handoavana ny volany ireo mpandraharaha mpampanofa fiara tsi-miankina, izay ampiasain’ny Fanjakana ankehitriny.

Tsy matoky ny Fanjakana intsony  ireo mpandraharaha, izay efa nangina sy niandry ny rariny hatrany. Efa alohalika anefa ny ranombary ka nivoaka tamin’ny fahanginana izy ireo.

Miisa 50 ireo fiara nofaina nampiasain’ny Fanjakana nandritra ny 15 andro voalohany niadiana tamin’ny valanaretina covid-19. Hatramin’izao anefa, izany hoe roa volana mahery aty aoriana dia tsy mbola misy ny fanefana nataon’ny Fanjakana. Nisy ny fifanarahana saingy tsy najain’ny tompon’andraikitra izany.

Efa imbetsika ny fitakiana natao kanefa toa antso an’efitra ihany izany, hoy ny mpandraharaha iray. Manao antso avo, araka izany, izy ireo, ho an’izay tompon’andraikitra mahefa mba hijery akaiky ny fandoavana ny volan’izy ireo.

Ankoatra ny tany amin’ny Minisiteran’ny Fitaterana dia nanao fitarainana teny amin’ny CCO ihany koa izy ireo. Nisy manko ny taratasy fifanarahana nifanaovan-tsonia niarahana tamin’ny Ministry ny Atitany, izay Filohan’ny CCO, kanefa toa odian-tsy fantatra izany ankehitriny.

Manoloana izany dia manomboka tsikelikely ny tsi-fahatokisana intsony ny Fanjakana. Misy anefa ny fanampiana izay tokony hanefana izany, saingy tsy fantatra mazava ny làlan-kizorany.

Hiadiana amin’ny valanaretina tokoa ve sa mankaiza ?

Vous aimerez aussi