EPICERIE MIVAROTRA FANAFODY : Nahazo fampitandremana tamin’ny dokotera

Nanao fidinana tampoka tamin’ireo mpivarotra enta-madinika ireo tompon’andraikitry ny fahasalamana, nanao fitsirihana sy fanadihadiana amin’ny fivarotan’izy ireo fanafody. Maromaro ireo mpivarotra no nahazo fampitandremana, fa fanafody efa lany daty avokoa no amidin’izy ireo. Taorian’izay dia tsy nivarotra fanafody intsony izy ireo. Misy amin’ireo mpanjifa anefa no efa zatra mividy fanafody amin’ireo mpivarotra nahazatra azy, saingy, rehefa tsy mahita dia voatery mividy any amin’ny farmasia. Misy amin’ireo toeram-pivarotana fanafody anefa no lavitra, ka sahirana mitady izany ireo mpanjifa. Nilaza kosa ny tompon’andraikitry ny farmasia iray teny Andrefan’Ambohinjanahary, fa tsy tokony aton’ireo mpivarotra mihitsy ny mivarotra fanafody ary raha ny tena izy dia tsy azo atao, satria na ny fampiasana azy aza tsy hain’ireo mpivarotra akory. Rehefa marary dia tokony hanatona dokotera, fa tsy manao dokotera tena, hoy hatrany ity tompon’andraikitra ity.

Vous aimerez aussi