Fametrahana arovava, tsy tahotra ny coronavirus na ho fikajiana ny toe-pahasalamana akory fa tahotra ny ho voasazy hamafa lalana mandritra ny tapakandro. Io no tsapa amin’ny ankamaroan’ireo olona mifamoivoy eto an-drenivohitra. Tsikaritra tetsy sy teroa ihany koa fa rehefa misy mpitandro ny filaminana mandalo manao fisafoana vao mikoropaka mametraka ny arovava ny maro.
Ankoatra izay, maro amin’ireo arovava ampiasain’ny olona eny an-dalambe eny no tsy mahasarona akory ny orona ary tsikaritra ho sahirana ireo mampiasa azy. Tsy manaraka ny fenitra ara-pahasalamana, araka izany, ny ankamaroan’ireo arovava ampiasain’ny maro eto an-drenivohitra sy ny faritra manodidina. Ny mahagaga, tsy mbola nahatazanana tomponandraikitra nanao ny fitsirihana ny kalitaon’ireo arovava amidy sy haparitaka aloha hatreto ho an’Analamanga sy ny faritra manodidina.
Mila hentitra tanteraka
Manoloana izany, mila tena hentitra tanteraka ny tomponandraikitra toy ny mpitandro ny filaminana, sefom-pokontany, mpiasan’ny fahasalamana, sns, amin’ny fampiharana ny fepetra ho fisorohana ny fihanaky ny coronavirus eto Madagasikara. Ny vahoaka ihany koa mila tonga saina fa loza mitatao sy atambo lehibe no miandry ny rehetra raha toa ka mbola mitohy hatrany ny tsy fanarahana amin’ny antsipiriany ireo fepetra ho fisorohana ny fihanaky ny coronavirus. Zava-doza hatrany no hateraky ny fanaovana rainazy sy ny fampanjakana ny gaboraraka ao anatin’ny vanimpotoana isian’ny valanaretina koa mila fandraisana andraikitra avy amin’ny isam-batan’olona mba tsy hamoizana ny aina lahitokana.


