Ny Institut Pasteur de Madagascar (IPM) ve no tsy mahay ny asany sa ny Fitondram-panjakana no mila tarehimarika ambanimbany kokoa ? Izany no fanontaniana manitikitika ny maro.
Nampanantsoin’ny Praiminisitra Ntsay Christian, teny amin’ny Lapan’i Mahazoarivo manko ireo tompon’andraikitra ao amin’ny IPM, ny sabotsy lasa teo.
Ny mikasika ny famoahana ny antontan’isa momba ny fitiliana ny valanaretina coronavirus no vontoatin’ny dinika.
Asa na tsy mijanona ho raharaham-pahasalamana fotsiny ihany koa ity toe-javatra ity na ahoana satria tsy ny Minisitry ny Fahasalamana irery no niatrika ny fihaonana fa teo indrindra koa ny Minisitry ny Raharaham-bahiny.
Mbola mitily
Araka ny fanambarana ofisialy dia mbola ny IPM no nanao ny fitiliana ny tranga ny alahady teo. Tsy nandeha irery anefa izy fa nanao izany koa ny Centre d’Infectiologie Charles Mérieux (CICM) eny Ankatso.
Tsy azo antoka intsony, araka izany ny IPM fa tsy maintsy arahin’ny CICM maso.
Efa mandeha moa ny fanadihadiana amin’ny antony nahatonga ny olana teo amin’ny tarehimarika momba ny olona voan’ny Coronavirus, ka ho fantarina hoe taiza sy iza no nahatonga ny olana. Hivaly ny Alarobia ho avy izao ny momba izay.
Mananatra ny OMS aty Afrika
Asa na misy ifandraisana amin’io raharaha IPM io ny fanambarana nataon-dRtoa Matshidiso Moeti, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny Fikambanana Iraisam-pirenena momba ny Fahasalamana (OMS) aty Afrika.
Nambarany fa tsy mbola misy ny andrana siantifika ilazana tanteraka fa afaka misoroka sy mitsabo ny valanaretina coronavirus ny tambavy CVO na ny Covid-Organics. Koa nananatra ny Fitondrana Malagasy, araka izany, ity ramatoa mpitsabo ity ny amin’ny tokony hanaovana fanandramana io vokatra io, ahazoana mamaritra tsara ny fahombiazany sy ahazoana miaro indrindra koa ny vahoaka Malagasy.
Ankilany moa mampanakoako mandoka ity tambavy ity ny Fitondrana ka maro ireo firenena afrikana no naka. Voatsikeran’ny OMS anefa izany satria ny artemisia, izay natao iadiana amin’ny tazomoka, no atolotr’i Andry Rajoelina iadiana amin’ny Covid-19.
Anisan’ireo firenena nahazo izany moa i Niger, Guinée-Bissau, Guinée équatoriale… ary naka ny anjarany koa ny tao Tchad.


