FANATANJAHANTENA AN-TSEKOLY : Tra-tehaka ireo 57 nangala-taona

Tratran’ny tompon’andraikitry ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena ireo ankizy 57 nangala-taona nikasa ny handray anjara amin’ny fanatanjahantena an-tsekoly, izay hisokatra amim-pomba ofisialy anio tolakandro ao Toamasina.

Tsy afaka hilalao, araka izany, ireo atleta  57 amin’ny 1.600, izay nanaovana fanamarihana, satria hentitra ny tompon’andraikitra eo anivon’ny Ministeran’ny fanabeazam-pirenena sy ny Fampianarana teknika ary ny fiofanana arakasa amin’ny fanaraha-maso ireo tanora ireo.

Arahi-maso mialoha ny lalao manko ny toe-pahasalaman’ireo tanora ireo. Misy ny fitilin’ny mpitsabo ny tsirairay sao sanatria misy ny bevohoka, ohatra. Manaraka izany ny taonany, satria tsy afaka hiara-hilalao amin’ny 17 taona ny ankizy vao 12 taona noho ny hery tsy mitovy ka mety mahatonga faharatrana.

Efa nanomboka ny maraina teo moa ny fifanitsanana eo amin’ny taranja iombonana, eo amin’ny taranja hand-ball  ho an’ny tanora latsaky ny 17 taona vehivavy sy ny basket-ball zazalahy ary ny baolina kitra.

Vous aimerez aussi