LÀLANA RN 44 : Napetraka ny vatofehizoro

Napetraka ny vato fototra ho fanombohana ny asa fanamboarana ny làlam-pirenena faha-44 iny, izay notanterahan’ny Filoha Andry Rajoelina. Làlana mirefy  159 km, mampitohy an’i Moramanga amin’Ambatondrazaka no ho tanterahina. Famatsiam-bolam-panjakana madiodio no hanaovana izany, hoy ny Goveroram-paritra Alaotra Mangoro, Ramandiamanana Richard, izay nanipika fa ho tombontsoa lehibe sy fampandrosoana ny Faritra ny fahavitan’iny làlana iny.

Hisy ihany koa ny fanamboarana ny kianja Rasolonjatovo, izay filalaovam-baolina ao Ambatondrazaka, ka hatao « synthétique ».

Hojerena ihany koa ny fanarenana ny tohadranon’i Bevava, izay nisy fahasimbana noho ny fasika, tamin’ny taon-dasa, sy ny EPP ao Antsahatanteraka ary ny famatsiana rano.

Vous aimerez aussi