Mitombo isan’andro ny isan’ny olona maty na noho ny asan-jiolahy na noho ny aretina, tsy manana hery hanoherana izany intsony ny vahoaka maro an’isa, betsaka ny karazana aretina sy ny mihatra aman’aina noho ny fiovaovan’ny toetrandro, misondrotra hatrany ny vidim-piainana, tsizarizary ny sakafo, potika ny fanabeazana,…Izany rehetra izany no namaritan’ny Vondron’Olon-Tsotra (na ny VOT) ny fari-piainan’ny Malagasy ankehitriny, raha nitafa tamin’ny mpanao gazety ity fikambanana tarihin’i Sarah Zoé ity.
Tsy misy ianteherana intsony
Nanteriny fa handoan-databatra sy hampiaka-peo ity fikambanana ity satria zary anjorombala ny sosialim-bahoaka ka tsy misy ny ianteherana intsony ny taranaka faramandimby.
Atao ahoana ny hanantena ny vaha-olana avy any ivelany kanefa ny eto an-toerana aza tsy miray hina hamaha olana, hoy izy.
Mpitari-bato vilam-bava ny fitondrana, ka hafa no atao nefa hafa no lazaina satria tsy mahavita vita izy. Koa ilaina ny fandraisana andraikitra manoloana ny fahasahiranana goavana misy ankehitriny fa midangana loatra ny vidim-piainana.
Fifidianana
Manoloana ny fifidianana ho avy dia nasiany teny ihany koa ny amin’ny tokony hijoron’ny olom-pirenena rehetra mba hanara-maso izany, satria dia misy hatrany ny tsimatimanota mamilivily ny safidim-bahoaka amin’ny lafiny maro samihafa.

Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.

