Nandritra ny fotoana nihibohana izay efa hananika ny 02 volana izao dia mikatona avokoa ireo toerana fialam-boly ankalamanjana fitondrana ireo kilonga madinika hivoaka ny tanàna sy hiala voly.
Mitombo ditra, lasa kizitina
Maro amin’ireo kilonga madinika no mitaky tsy ankiato amin’ireo olon-dehibe ny hitondrana azy ireo amin’ireny toerana ireny noho izy ireo efa leon’ny mihiboka. Vokany, lasa kizitina sy tsy tohinina ireo katita kely. Tsy afa-po amin’ny fialaovana eo an-tanàna loatra intsony, araka izany, ny maro amin’izy ireo. Mitombo an-dalana toy ny dian’andriana ihany koa ny ditran’ireo kilonga madinika. Ireo ray aman-dreny anefa tsy mbola resy lahatra hitondra azy ireo hivoaka ny trano noho ny nahenoana fa maro ireo ankizy madinika no nifindran’ny ny covid- 19. Hany herin’izy ireo ny mitondra ireo menaky ny ainy mandeha miantsena saingy manaraka ireo fepetra ara-pahasalamana toy ny fanaovana arovava sy ny fanasana tanana rehefa miverina ao an-trano. Vanimpotoana mila hijoroan’ny ray aman-dreny amin’ny tena maha mpanabe azy ny misy antsika ankehitriny koa alao hery àry e !


