FILALAOVANA PAPANGO : Mety hitera-doza, mila fanaraha-maso

Vanimpotoana mampahery ny fitsoakan’ny rivotra ny ririnina. Maro amin’ireo ankizy madinika no efa milalao ny papango vita amin’ny harona plastika nasiana kofehy ankehitriny. Mila fanaraha-maso akaiky ny filalaovana ny papango mba tsy hitera-doza ho an’ireo zaza.

Maro amin’ireo papango lalaovin’ireo kilonga madinika no tazana mihantona sy misaringotra eny ambonin’ireo taribin-jiron’ny Jirama  mitondra herinaratra matanjaka sy mahery vaika. Mety hiteraka « court circuit » hahamay kila forehitra ireo ankizy madinika ny filingilingian’izy ireo haka ny papango eny ambonin’ny andrin-jiro. Manginy fotsiny ny mety ho fahasimban’ireo fitaovana mpitondra herinaratra izya hitarika fahatapahan-jiro.

Nanao antso avo ho an’ireo ray aman-dreny sy ny tomponandraikitra eny amin’ny isam-pokontany, araka izany, ny orinasa Jirama mba hanara-maso akaiky ireo kilonga madinika milalao ny papango. Nanamafy rahateo ny Jirama fa anisan’ny antony miteraka ny fahatapahan-jiro matetika ny fisian’ny papango taraiky eny ambonin’ireo taribin-jiro. Nanentana ireo mpanjifa ihany koa ny Jirama mba tsy hampiasa fitaovana ilana herinaratra mavesatra amin’ny fotoana maha be mpampiasa ny herinaratra izany hoe manomboka amin’ny 06 ora hariva hatramin’ny  09 ora alina. Mila mailo, araka izany, ny ray aman-dreny fa ny patsa iray tsy homby vava rehefa hiditra ny loza amin’atambo.

Vous aimerez aussi