Taorian’ny zava-nitranga tao amin’ny oniversite Barikadimy Toamasina, izay nahafatesana mpianatra iray dia namoaka fanambarana iombonana ireo mpianatry ny oniversite Barikadimy ary takian’izy ireo tsy misy hatak’andro ny fialan’ny filohan’ny oniversite, izay nolazain’ireto mpianatra ireto, fa rangory fototry ny olana, tamin’ny tsy namoahany ny vatsiam-pianarana sy ny “équipement” ny mpianatra. Marihana, hoy ny Governoran’ny faritra Atsinanana, fa ny fitondram-panjakana dia efa namoaka tetiandro handoavana ny vatsim-pianaran’ireo mpianatra. Tsiahivana, fa nanatanteraka fitokonana ny mpianatry ny oniversite Barikadimy, noho ny tsy fandoavana na/sy fahatarany ny vatsim-pianaran’izy ireo. Nibahana ny lalam-pirenena faharoa ary nandoro kodiarana izy ireo. Nisy ny fihantsiana nataon’ireo mpianatra tamin’ny mpitandro filaminana, raikitra ny torabato sy fandefasana lakrimozena. Nisy naratra teo amin’ny andaniny sy ny ankilany, ka mpianatra iray no voatifitra ary nitarika fahafatesana taminy izany. Efa nanokatra fanadihadiana mikasika iny raharaha iny ny mpitandro ny filaminana any an-toerana.


