9 MIANAKA NODORANA VELONA : Sazio faran’izay henjena ireo nahavanon-doza, hoy ny depiote Nicolas Randrianasolo

Naneho ny alahelo ary nanameloka tamin’ny zava-nitranga tao amin’ny fokontany Ambidà, kaominina Benonoky, distrikan’i Betroka, faritra Anôsy, ny solombavambahoaka voafidy tao amin’ity distrika ity, atoa Nicolas Randrianasolo, tamin’ny fandorana velona ireo 9 mianaka. Nanao antso avo amin’ny fitondram-panjakana ity solombavambahoaka ity, indrindra fa ny mpitandro ny filaminana mba hanasazy faran’izay henjena ho an’ireo tsy mataho-tody  sy ireo nahavanon-doza ireo. Efa nanokatra ny fanadihadiana moa ny OMC distrika taorian’iny zava-doza nataon’ny dahalo iny. Tsiahivana, fa ny alahady lasa teo dia olona 9 mianaka no indray nodoran’ny malaso niaraka tamin’ny biby fiompiny. Omby manodidina ny 20 koa no mbola tsy hita popoka taorian’iny fandorana olona velona iny.

Vous aimerez aussi