FILOHAN’NY SENAT, HERIMANANA RAZAFIMAHEFA : « Tsy azo ekena intsony ny fanakorontanana eto amin’ny firenena »

Tsy azo ekena intsony ny endrika fanakorontanana eto amin’ny firenena”, hoy ny filohan’ny Antenimierandoholona, atoa Herimanana Razafimahefa. Mbola misy ihany ireo tsy maty voalavo an-kibo, ka mikendry ny hamerina ny Filoha teo aloha, izay efa naloam-bahoaka tamin’ny alalan’ny fifidianana Filohampirenena farany teo. Aoka tsy hanaiky ho voarebireby amin’izany intsony isika vahoaka malagasy, fa efa manao ny ezaka rehetra hamahana ireo olana misy ny fitondram-panjakana. “Aoka hatsahatra hatreo ny fandranitana sy ny antsonjay hataon’ny mpanohitra, fa miandrasa fifidianana, dia any no hitsaran’ny vahoaka anareo, hoy hatrany ny hafatra nataony. Nanatanteraka fambolen-kazo ny sabotsy lasa teo, tany amin’ny fokontany Ambohimahavelona, kaominina Talatan’i Volonondry, faritra Analamanga, ireo mpikatroka TGV rehetra, izay notronon’ireo mpikambana tao amin’ny governemanta, ny solombavambahoaka IRD, ny mpitarika TGV tany amin’ny faritra sy teto andrenivohitra. Vory lanona ny fianakaviam-ben’ny TGV tamin’io andro io no sady nifampirary soa ihany koa nohon’ny taona vaovao.

Vous aimerez aussi