PROFESORA BRUNO RAZAFINIMANANA, ANTOKO POLITIKA BEMIRAY : Manohana ny vinan’ny Filoha Andry Rajoelina, tsy mety intsony ny mifanenjika sy mifanaratsy

Manohana tanteraka ny vinan’ny Filohampirenena Andry Rajoelina, ny Antoko politika Bemiray, izay hery afovoany na « centriste ». Nambaran’ny filohan’ny antoko, ny profesora Bruno Razafinimanana, fa rehefa hita fa manatanteraka ny velirano ary manao zavatra tsara ny fitondrana dia tohananay hatramin’ny farany, hoy izy. Fa raha misy tsy mety kosa dia toherina amin’ny fomba mihaja, fa tsy any amin’ny korontana, hoy hatrany ny antoko. Tsy ilaina intsony ny korontana eto amin’ny tany sy ny firenena ary tsy mitondra soa ho an’ny firenena izany. Tokony mifanantona ny mpanao politika dia mifampiresaka, fa tsy mifanenjika am-pitoerana. Ny hampilamina ny firenena no tanjona fa tsy korontanina lava eto, hoy ny profesora. Nanao antso avo ho an’ny Filohampirenena ny antoko, fa tokony hisokatra amin’ny hery politika hafa ny Filoha. Tokony ho soloina ihany koa ireo mpikambana ao amin’ny governemanta, fa ny Filohampirenena no toa hita fa manao zavatra sy/na mihetsika amin’izao fotoana izao, hoy hatrany izy.

Soloy ny mpikambana ao amin’ny CENI

Mikasika ny fikirakirana ny fifidianana sy ireo mpikambana ao amin’ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana na ny CENI dia nandroso soson-kevitra ny profesora Bruno Razafinimanana, fa tokony ho soloina ireo mpikambana ao amin’ny Ceni rehetra. Milà vahaolana goavana mantsy ny fanomanana ny fifidianana dieny izao, ka ny fanoloina ireo mpikambana ao no hitan’ny antoko Bemiray fa mety ho vahaolana. Raha ny heviny hatrany dia milà olona matihanina sy za-draharaha amin’ny fikirakirana ny fifidianana no hapetraka ao amin’ny Ceni. Ohatra ny fametrahana ny “Comité des Coordination d’Observateurs des Elections” na CCOE izay antsoina hitantana ny Ceni ary izy ireo no mikirakira ny fifidianana mba ho ara-dalana dia afaka miandry ny fifidianana ny rehetra, hoy hatrany ity profesora ity. Ny CCOE mantsy no mpanara-maso ny fifidianana tamin’izany fotoana izany, hoy ny antoko Bemiray.

Manohana ny programan’asan’ny Filohampirenena

Ny taona 2010 no nijoro ara-dalàna ny antoko politika Bemiray ary nanohana ny Filohampirenena hatrany ny antoko. Nambaran’ny Profesora Bruno Razafinimanana, filoha mpanorina ny antoko, fa manohana tanteraka ny velirano sy ny vina ary ny programan’asan’ny Filohampirenena ankehitriny ny antoko tarihiny amin’izao. Vao nitsangana ny antoko, dia efa naneho ampahibemaso, fa hanohana tsy misy fepetra ny fitondrana tarihin’atoa Andry Rajoelina ny antoko Bemiray. Araka ny fanazavan’ity profesora ity, dia mahatsikaritra ary mahita ny antoko, fa efa hita maso ankehitriny ny fitiavan-tanindrazan’ny mpitondra ankehitriny. Eo ny fanampiany ny tantsaha, ny fanohanana ireo mpandraharaha, ny fijerena ny tanora sy ny fanampiana azy ireo amin’ny fiahiana ara-tsosialy ary ny tontolon’ny fanatanjahan-tena izay hita fa nisongadina, hoy izy. Eo koa ny fametrahana ny lalàna mikasika ny harena an-kibon’ny tany. Ankoatra izay ny fitakiana ny nosy manodidina nataon’ny mpitondra. Amin’ny ankapobeny, hoy ity filohan’ny antoko Bemiray ity, dia tafiditra tao anatin’ny fitakiana nataon’ny HFI na “Hetsika Fanorenana Ifotiny” ireo ataon’ny Filohampirenena ireo, hoy izy. Eo an-dalam-panatanterahana ny fanomeza-toky sy ny velirano koa ny fitondrana amin’izao, fa tsy maintsy ho tanteraka ireo vina ireo. Koa miantso ireo mpamatsy vola rehetra mba hanohana sy hanampy izao fitondrana izao ny antoko Bemiray. Miantso ireo mpikambana rehetra manerana ny nosy koa ny profesora mba hanolo-tanana sy hanampy ny fitondrana amin’ireo programan’asany rehetra. Marihana, fa tsy mitady setriny na/sy tambiny na koa toerana ny antoko, fa tolo-tanana no ataon’izy ireo amin’ny mpitondra. Nomarihany etoana fa nisy olona namadika sy nandoto rano ny mpikambana sasany tao amin’ny antoko Bemiray, hoy ny profesora. Tsara ho marihana, fa mpikambana feno tao amin’ny vovonana HFI, ny antoko Bemiray tarihiny, hoy hatrany ny profesora.

Vous aimerez aussi