FIOMBONAN’NY FIANGONANA KRISTIANA ETO MADAGASIKARA (FFKM) : Ho fantatra ny hira faneva sy ny sary famantarana

Ny sabotsy ho avy izao no ho fantatra ny sary famantarana sy ny hira faneva ho amin’ny faha-40 taonan’ny Fiombonan’ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara (na ny FFKM).
Amin’io fotoana io no dingana famaranana hamantarana izany, izay hatao etsy amin’ny kolejy Masindahy Misely Amparibe, manomboka amin’ny 4 ora tolakandro.

Asaina, araka izany, ny olon’ny FFKM tsy an-kanavaka, satria anisan’ny hitsara izany ny mpijery. Hitsara izany koa anefa ireo filoham-piangonana 4 mirahalahy.

Hirain’ny tompony mandritra izany avokoa ireo hira 10 voafantina ho amin’izao famaranana izao ary alefa amin’ny « ecran » lehibe kosa ireo sary famantarana voafantina miisa 18.

Efa nisy ireo matihanina nanao ny safidy tamin’ireo fanehoan-talenta ireo, saingy ilaina dia ilaina ny hevitry ny mpino maro, ahazoana mandahatra ny laharan’ny hakanton’ireo talenta ireo.
Noho izany, nataon’ny komitin’ny faha-40 taona ho zava-dehibe ny fanasana ny maro mba handray anjara amin’izao famoahana ny hira faneva sy ny sary famantarana izao.

Vous aimerez aussi