Depiote miisa 146 no tokony haiditra am-ponja ary handoa lamandy satria tsy nanara-dalàna amin’ny fanambaram-pananana.
Solombavambahoaka 2 no mba nanatanteraka izany, omaly ary 1 kosa afak’omaly. Ny 2 hafa dia efa nahatanteraka izany ny fiandohan’ny volana oktobra iny. Vao ny 5 amin’ireo 151, araka izany no nanao ity fanambaram-pananana takian’ny lalàna ity.
Araka ny lalàna mifehy ny ady amin’ny kolikoly, nivoaka ny 22 aogositra 2016 manko dia tokony hanao fanambaram-pananana izy ireo, mialoha ny telo volana andraisany ny asany.
Tapitra omaly, araka izany, ny fe-potoana tokony hanatanterahan’izy ireo izany satria ny 16 jolay, no nivory voalohany nanamarika ny fandraisany ny asany izy ireo.
Dila izay ny telo volana, hihatra amin’izy ireo tokoa ve ny lalàna sa odian-tsy hita izany, kanefa dia olona mpanao lalàna avokoa ireo mandika lalàna ireo ?
Misy ny sazy
Sazy enim-bolana ka hatramin’ny dimy taona an-tranomaizina, miampy onitra 50 ka hatramin’ny 200 tapitrisa Ariary no tokony hefain’ireo tsy manao fanambaram-pananana. Fanambarana izay tokony hatao eny anivon’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana sy ny Birao mahaleotena miady amin’ny Kolikoly (na ny Bianco).
Koa asa na inona no mety ho fepetra raisin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana sy ny Bianco manoloana izao toe-javatra izao, satria mibaribary fa tsy manara-dalàna ny olon’ny lalàna izay tokony ho modely.
Ireo olona ambony
Marihina moa fa ny Filoham-pirenena, ny Praiminisitra, ny Minisitra, ny Sekreteram-panjakana, ny Depiote, ny Senatera, ny mpikambana ao amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana no takiana hanao ity fanambaram-pananana ity.
Fanambarana izay azo alaina sy atao tsara amin’ny alalan’ny solosaina, ao amin’ny tranokalan’ny HCC.
Misy pejy 9 moa izy io ka mila valiana amin’izany ny asa natao hatrizay sy ny karama, ny vola nandraisany anjara tamina orinasa, ny renivola nampiasaina raha nandray anjara tamin’izany, ny laharan’ny kaonty any amin’ny banky, ny kaontim-bola any ivelany, ny trano ananana, ny isan’ny fiara, ……

Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.

