Ankoatra ny tsy fisian’ny fampiasana ny « gel » voatokana anasana tanana intsony any anatin’ny ankamaroan’ireo taksibe miasa eto an-drenivohitra, tsy misalasala intsony ihany koa ireo saofera sy resevera mampiasa ny « seza volamena » na ilay seza natao ipetrahana eo afovoany. Vokany, tsy voahaja intsony ireo fepetra ara-pahasalamana takiana ao anatin’izao fihanaky ny covid- 19 izao.
Teren’ny fahasahiranana
Tsy nisalasala ireo saofera sy resevera nilaza fa zara raha mahazo 5 000 Ar izy ireo ao anatin’izao hamehana ara-pahasalamana izao raha toa ka nanodidina ny 10 000 Ar hatramin’ny 12 000 Ar izany talohan’ny fihibohana. « Tsy sitraponay ny handika ny fepetra ara-pahasalamana napetraka fa voaterin’ny fahasahiranana izahay » hoy ny mpamily sy ny mpanampy azy. Nitsaha-ketriketrika toy ny sosoa voatapo-drano rahateo ilay fanampiana nankalazaina fatratra tamin’ny alalan’ny haino, vaky, jery teto an-tanàna. « Sary indray mipika », hoy ny sasany.
Mifanohitra
Vao ny alahady lasa teo no nilazan’ny filohan’ny repoblika Andry Rajoelina fa ho hentitra kokoa ny fampiharana ireo fepetra ara-pahasalamana ao anatin’izao fotoanan’ny fihibohana manaraka izao. Ny mifanohitra amin’izany anefa no misy manodidina ny tontolon’ny fitaterana an-tanan-dehibe. Manjaka ny gaboraraka sy ny rainazy. Tsy ny seham-pitaterana an-drenivohitra ihany no misy tsy fanarahana sy tsy fanajana ny fepetra ara-pahasalamana fa mbola misy baranahiny ihany koa ireo sakana ara-pahasalamana napetraka amin’ny lalam-pirenena. Vokany, mbola maro ireo olona tafiditra antsokosoko eto an-drenivohitra sy ny faritra iharan’ny hamehana ara-pahasalamana. Raha mitohy ny tahaka izao, ahiana mafy ny hipariahan’ny covid- 19 anatin’ny fotoana fohy ary ho sarotra ny hifehezana tanteraka azy. Aoka samy handray ny andraikitra manandrify azy ny tsirairay fa am-bava loza ny firenena ankehitriny.


