HETSIKY NY MPANOHITRA TENY ANALAKELY : Sorena ireo mpivarotra sy mpitady vola

Hasosorana sy fahatezerana no hita soritra tamin’ny endrik’ireo mpivarotra tetsy amin’ny Pavillon Analakely, ny asabotsy lasa teo nandritry ny hetsika nataon’ireo mpanohitra. Voatohitohiny ny fitadiavam-bolan’izy ireo ary zara raha nahalafo, nefa ny andro asabotsy no tena fidiram-bolan’izy ireo, raha ny fanehoan-kevitra nataon’izy ireo hatrany. Tokony tsy hokorontanina tahaka izao intsony ny firenena fa aleo hitady vola am-pilaminana izahay, hoy ireo mpivarotra. Tsikaritra mantsy, fa ireo izay olona hita fa nanao T. Short mena na akanjo miloko mena dia voaroakan’ireo mpivarotra teny Analakely no sady nihorakorahin’izy ireo. Tsy ilaina intsony ny korontana, hoy izy ireo fa aleo miandry ny fifidianana raha te haka fahefana fa aza ampidirina ao anaty krizy intsony ny firenena. Voaelingelina ihany koa ny fivezivezen’ireo olona hamonjy fodiana. Saika niodina na/sy niova lalana avokoa ireo mpandeha an-tongotra hamonjy fodiana, fa tsy nahazo nidirana na/sy nivezivezena teny Analakely sy ny manodidina ary Ambohijatovo tamin’io andro io.

Vous aimerez aussi