JENERALY RAVALOMANANA RICHARD : 20.000 ariary ny karaman’ny olona nanao sakana tamin’ny vato

Nidina teny Antanimena, Soarano, Analakely, Tsaralalana ary Ambohijatovo iny no sady nankahery ireo mpitandro ny filaminana nanao ny sakana ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria na ny SEG, ny jeneraly Ravalomanana Richard. Raha ny tafa fohy nataony tamin’ny mpanao gazety tetsy Soarano dia nilaza izy, fa nisy andian’olona nametraka vato/sy sakana tetsy amin’ny Malacam Antanimena ny asabotsy lasa teo. Vao nandalo anefa ny mpitandro ny filaminana dia nitsoaka ireo olona nanao ny sakana ireo. Nambaran’ity manamboninahitra jeneraly ity, fa nokaramaina 20.000 ariary mba hametraka sakana ireo andian’olona ireo. Tsy hitondra anareo ho aiza izany, hoy izy. Vahoaka nilamina no hita, hoy ny jeneraly. Tsy nisy korontana tamin’io andro asabotsy io. Tsy nisy hita teny an-toerana kosa ireo depiote sy mpitarika ny Miara-Manonja, fa niafina tany ambadika, dia ny vahoaka no tadiavina hatao sorona. Nanao antso avo ho an’ny vahoaka an’Antananarivo ny jeneraly Richard Ravalomanana, fa aza manaiky ho taritina any amin’ny korontana isika, fa aoka hilamina. Tsy milà korontana intsony intsony ny firenena fa aleo hilamina. Izao ve dia mahafaly ny mpanohitra, voatohitohina ny fitadiavina sy fivelomana ary ny fivezivezen’ny olona?. Avy aminay mpitandro filaminana ve izany, sa avy amin’ireo mpanohitra sy mpanao fihetsiketsehana. Sahia mipoitra ireo mpitarika fa aza entina any amin’ny korontana ny vahoaka izay hita milamina, hoy izy.

Vous aimerez aussi