JACQUIS RANDRIA : Manohy ny mozika…

Ny taona 2010 no efa nikirakira ny mozika tamin’ny nidirany ho mpikambana tao anatin’ny Antoko mpihira iray tany Antsirabe i Jacquis Randria. Nitohy tamin’ny fiantsorohana ny feo lafika teny anivon’ireo mpanakanto efa fanta-daza izany. Ampahany amin’ireo vazo nahafantarana azy ny « Saino ihany », « Azafady », « Hiarina indray », « Hafa foana izy » sns. Nandray anjara tamin’ny fifaninanan-kira nataon’ny fahitalavitra tsy miankina iray teto an-drenivohitra ihany koa i Jacquis Randria.

Jacquis Randria, mpanakanto nirona betsaka tamin’ny famolahana ny tadim-peony hanjary mozika kanto sahaza ny manam-panahy tsy anavahana. « Mozika malalaka » (fiangaliana gadona maroloko) Io no amaritan’ity mpanakanto ity ny lokon’ny mozika atosany. Miavaka tanteraka amin’ny fananana ilay feomanga sy avo rakotra angola kanto ny tovolahy. Manasongadina hatrany ny lafiny fanabeazana ho « Olom-banona » amin’ny alalan’ny fampitana hafatra ireo tononkirany. Ireo trangam-piaraha-monina rahateo no akora fototra folahany hanjary tononkira kanto sy mafonja. Havanana rahateo amin’ny lafiny famoronana hira ny tovolahy. Ankoatry ny fiangalian’i Jacquis Randria ny mozika, miangaly ny dihy « Danse urbaine » sy ny filalaovana basket i Jacquis Randria. Misehatra amin’ny tontolon’ny fianjaikana (Famoronana akanjo isan-karazany) ihany koa i Jacquis Randria Tia mandalina hatrany eo amin’ny fiainana izy.

Anisan’ny dingana manamarika ny hirosoan’i Jacquis Randria lalina eo amin’ny fikirakirana ny mozika ny nananganany ny trano fandraisam-peo « JR Records » ikirakirana ny tontolon’ny feo ary ny fiketrehana vazo vaovao toy ny « Drogue » azo avy amin’ny fampiarahana ny « soul sy ny « gospel » Raha fintinina, ny hametraka « mozika mitoetra » mahatety vanimpotoana maro mifandimby no teny filamatra ho an’i Jacquis Randria ao anatin’ny fanaovana ny mozika.

Vous aimerez aussi