KAOMININA AMBOHIDRATRIMO : Olona 290 nahazo kopia maimaimpoana

Ny tsy fananana kopia dia anisan’ny sakana iray ho an’ny olona iray, ka antony iray nahatonga ny fikambanana Koloaina nanao hetsika kopia faobe, tao amin’ny kaominina Ambohidratrimo, ny zoma lasa teo. Nambaran’ny mpitarika ny fikambanana, fa ny tsy fananana kopia dia mitarika no sady olana ho an’ny zaza tsy miditra an-tsekoly. Ny lalàna dia milaza, fa 12 andro aorian’ny fiterahana dia tokony ho vita ny kopia ny zaza vao teraka. Raha ohatra ka tsy vita aorian’izay ny kopia dia makany amin’ny fitsarana mpanao kopia ny ray aman-dreny, nefa maro ireo olona no tsy afaka hanao izany any amin’ny fitsarana nohon’ny fahasahiranana. Izay fandraisana andraikitra sy fanampian’ny fikambanana ny olona sahirana manao ny kopia ny zanany izany no antony hanampian’ny fikambanana azy ireo. Eo ihany koa ny tsy fahafantarana ny lalàna momba ny kopia, ka anisan’ny manabe sy mampahafantatra ny olona an’izany lalàna izany ny fikambanana. Maimaimpoana avokoa ny fanaovana ny taratasy nanamboarana ny kopia tao amin’ny kaominina Ambohidratrimo. Ny fikambanana Fanainga no nanampy tamin’ny fahavitana tanteraka ny kopia. Olona 290 no nahazo kopia ary tao anatin’ny 3 volana no nanaovana izany, hoy ity fikambanana ity. Nambaran’ny Ben’ny tanànan’Ambohidratrimo, Raherimanantsoa Feno, fa fanombohana ity hetsika voalohany ity ary hita fa maro ny olona sy ny ray aman-dreny no nangataka izay kopia izay. Rehefa tsy manana kopia ilay zaza, ka hiditra hianatra dia eo vao mikoropaka manao izany ny ray aman-dreny. Varimbariana ireto farany, fa hay milà kopia ny zanany hiditra hianatra. Na tonga eo amin’ny fianarana na hanao karapanondro ilay ankizy dia eo vao hita fa tsy misy kopia. Faharoa, mety tsy ho ampy ihany koa ny fanentanana ny olona avy amin’ny tompon’andraikitra na fokontany na teraka tany an-trano ilay zaza dia tsy nisy nanampy ny fahatongavan’ny taratasy ilaina amin’ny kopia. Ho an’ny kaominina Ambohidratrimo dia fanombohana ity hetsika ity ary nahatratra 290 ireo tsy nanana kopia. Mbola maro ireo nangataka kopia, hoy ny Ben’ny tanàna. Ny zokiny no nomena kopia maimaimpoana amin’izao voalohany izao ary raha mbola miteraka any aoriana any ka tsy manao kopia ny ray aman-dreny dia any amin’ny tribonaly izy ireo no manao izany ary tsy hanampy intsony ny kaominina. Mbola misy ny fifampidinihana eo amin’ny koaminina sy ny fikambanana Koloaina. Maimaimpoana ny fanaovana ny kopia voalohany vao teraka ao anatin’ny 12 andro ilay zaza. Misy 3 taona ka hatramin’ny 18 taona no mbola tsy manana kopia ary maro izy ireo, hoy ny Ben’ny tanàna ary mialohan’ny hanamboarana ny karapanondro no betsaka tsy manana kopia, hoy ny fanazavany. Nomena ny zo fototra ny ankizy satria, iray volan’ny ankizy ny volana jona. Nojerena ihany koa ireo ray aman-dreny, ka nomena bodofotsy sy vary izy ireo izy ireo. 200 no isany ary avy amin’ny mahalala-tanana ny fanampiana. Maro ihany koa ireo olona tsy manana trano fialofana, ka nijery izany ny ekipan’ny koaminina. Nanamboatra trano ho an’ireo sahirana ny kaominina ary natolotra azy ireo ny zomà folakandro teo. Trano vaovao no ipetrahan’izy ireo ary miaraka amin’ny fitaovana vitsivitsy. Trano 2 no vita ary hihezaka ny koaminina ao anatin’ny 2 na 3 volana hijery ireo izay tsy manana izay trano ipetrahana izay, hoy ny Ben’ny tanàna.

Vous aimerez aussi