KRIZY COVID-19 : Mivaro-pananana ny Mpanakanto

Mahonena tanteraka ! Maro amin’ireo mpanakanto toy ny mpihira, mpitendry zavamaneno no tazana efa mivarotra ny fitaovam-piasany noho ny krizy ateraky ny hamehana ara-pahasalamana. Anisan’ny efa avadika ho vola mba ahafahana mivelona, ohatra, ny gitara, ny vatamaroafitsoka (claviers), sns. Endrin-javatra izay mampiseho miharihary fa latsaka ankaterena ny fiainan’ireo mpanakanto ankehitriny.

Tsy misy mihaino, hitady vahaolana fa tsy fanampiana

Anisan’ny antony niteraka izao tranga mampalahelo eo amin’ireo mpanakanto izao ny tsy fihainoan’ireo tomponandraikitra ny toreon’izy ireo ny amin’ny tokony hanampiana ny mpanakanto, ao anatin’ny hamehana ara-pahasalamana. Miady irery izahay mpanakanto ankehitriny ary samy manao izay hanavotana ny ainy ny tsirairay, hoy ity mpitendry gitara maranim-peo nisafidy ny tsy hitonona anarana.

Manoloana ny fahasahiranana lalina lalovan’ny mpanakanto ankehitriny, tsy hahenoam-peo ny minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina. Mitaky fihaonana amin’ny tomponandraikitra miahy ny kolontsaina indray ankehitriny ireo fikambanan’ny mpanakanto. Vontoatin’ity fihaonana ity raha ny vaovao farany voaray ny hitadiavana miaraka ny paikady ahafahan’ireo mandraharaha rehetra amin’ny sehatry ny fikirakirana ny kanto (Mpanakanto, mpikarakara lanonana, sns) hiasa ao anatin’ny fanarahana sy fanajana ireo fepetra ara-pahasalamana. Tsy mitavandra loatra intsony ny fanampiana izahay, hoy izy ireo fa akoho tsy naneno ohatra izay efa lanin’ny kary.

Moa ve tsy mba manan-jo ny hahazo fanampiana toy ireo sokajin’olona misehatra amin’ny sehatrasa samihafa ihany koa ireo mpanakanto ?

Vous aimerez aussi