MPANAO HOSODOKO : Nahavita tabilao maro tao anatin’ny fihibohana, maina ny tsena

Azo ambara fa nanampy betsaka ireo mpanao hosodoko tamin’ny fanajariana sanganasa vaovao ny fisian’ny fihibohana. Maro tamin’izy ireo no nahavita tabilao vaovao notovozina avy amin’ny aingam-panahy sy famoronana vokatry ny fijanonana tao an-trano.

Mihisatra ny varotra

Nisy fiantraikany ratsy teo amin’ny lafiny ara-barotr’ireo mpanao hosodoko kosa anefa ny fisian’ny hamehana ara-pahasalamana. Teratany vahiny no maro an’isa amin’ireo mpanjifa ireo tabilao vitan’ny mpanao hosodoko malagasy. Maro amin’izy ireny anefa no voatery nandao an’i Gasikara noho ny fipariahan’ny covid- 19. Mihena ny isan’ireo tabilao lafo ary mihisatra ny varotra, hoy i Nary Arthur, iray amin’ireo mpanao hosodoko mampiranty ny vokakantony, etsy amin’ny Tahala Rarihasina Analakely.

Manoloana izany, tsy miraviravy tanàna ireo mpanao hosodoko fa miezaka hatrany mikaroka lalam-barotra amin’ny alalan’ny fanatanterahana varotra fampisehoana. Tanjona amin’ny fanaovana ny varotra fampirantiana ireo tabilao ihany koa ny hampitiavana bebe kokoa ny Malagasy ny hakanton’ny hosodoko. Tsy misalasala mizara ny fahaiza-manao sy ny traikefa ananany ihany koa ireo mpanao hsodoko eto an-tanàna ho fanabeazam-boho hatrany ny habaky ny kanto.

Mitoetra ho olana hatrany kosa hatreto ny tsy mba fananan’izy ireo toerana manara-penitra ahafahana mampiranty sy mivarotra ireo vokatra. Manginy fotsiny ny tsy mbola fijoroan’ny Sekolin’ny kanto « Ecole des beaux-arts ». Ity farany izay sehatra sy ivon-toerana iray ahafahana mamolavola mpanan-talenta matihanina eken’ny maneran-tany. Fotoana efa tokony hametrahana izany ankehitriny mba ho fanoitran’ny fampandrosoana tokoa ny kolontsaina.

Vous aimerez aussi