Aina nafoy, tamboho nihotsaka, arabe dibo-drano, trano may,…. Izany no nihatra teto an-drenivohitra nandritra ny orana narahin-kotroka nifanesy teo.
Teny Nanisana no namoizana olona 3 noho ny fihotsahan’ny tamboho. Olona roa kosa no namoy ny ainy noho ny herinaratra, teny Ivandry. Trano may nilatsaham-baratra no nisy teny Anosibe. Fiara simba noho ny fihotsahana koa no hita teny Ankatso,…
Ankoatra ireo dia saika dibo-drano avokoa ny arabe amin’ny faritra somary iva rehetra, toa an’Ampefiloha, Tsaralalàna, Isotry, Analakely, 67 ha, Besarety,….

Tokony ho antsasak’adiny teo no nihavian’ny orana kanefa dia zava-doza maro no niseho. Ankoatra ny fantsona tsy maharaka intsony ny fitosaky ny rano dia manampy trotraka izany ny tsy fandalana ny fahadiovana. Atsipy etsy sy eroa ny fako, indrindra ny vita amin’ny plastika ka mitera-doza amin’ny fotoana tsy ampoizina tahaka izao.

Tsy ampy koa ny fanatevenana ny foto-drafitrasa ka mitranga ny fihotsahana samihafa.
Tokony ho jerena akaiky, araka izany, izay asa tena tokony ho lahara-pahamehana eto amin’ity firenena ity satria mianjady amin’ny olona efa vonton’ny fahantrana ny fahavoazana maro.



