PASITERA TANTELY RATSIMBA : Hizara ny “Fitoriana marina”

Samy mahatsapa sy mahatsikaritra ny isam-batan’olona ankehitriny fa mirona amin’ny “filazantsaran’ny tany” sy ny fananan-karena ny ankamaroan’ireo “Mpino” ka manadino ny fototry ny filazantsara marina dia ny fibebahana sy ny tahotra an’Andriamanitra.

Ny fahatsapana izany no nanosika sy nanainga ny Pasitera Tantely Ratsimba, hanatanteraka fotoana hahafahana mifampizara ny fitoriana marina mifototra amin’ny voalazan’ny baiboly, izay hotanterahana ny alahady 12 Desambra hanomboka amin’ny 09 ora maraina, hitohy amin’ny 02 ora tolakandro, etsy amin’ny efitrano malalaky ny PK 00 Soarano.

“Katsaho ny zavatra any ambony, any amin’izay itoeran’I Kristy, saino ny zavatra any ambony fa tsy ny ety an-tany”. Io no lohahevitra hovelabelarin’I Pasitera Tantely Ratsimba eny an-toerana amin’ny alalan’ny fampianarana sy ny fitoriana ny filazantsara. Tsy hisy ny fitatazana rakitra sy ny fanentanana ara-bola mandritra ny fanatanterahana ny fotoana rehetra. Ho tolorana kapila mangirana “DVD” maimaimpoana mirakitra fampianarana kosa ireo ho avy hanatrika. Raha tsiahivina, ny taona 2010 no nomen’I Jesosy Kristy an’I Pasitera Tantely Ratsimba ny iraka “Miomàna” hihaona amin’Andriamanitrao miompana ho amin’ny famerenana amin’ny laoniny ny fitoriana izay mifototra tanteraka amin’ny baiboly. Ho fanatanterahana izany no antom-pisian’ity hetsika goavana, hatao amin’ny alahady, etsy amin’ny efitrano malalaky ny PK 00 Soarano ity. Hotanteraka ara-bakiteny tokoa, araka izany, ilay hoe : “Dia ho fantatrareo ny marina, ary ny marina no hahafaka anareo tsy ho andevo”.

Vous aimerez aussi