POOPY SY NJAKATIANA : Hanasongadina ny feomangany

Hibahana tanteraka anatin’ny rindran-kira « Mifampitantana 2020 », hotanterahana, etsy amin’ny lapan’ny Fanatanjahatena Mahamasina, iarahana amin’i Poopy sy i Njakatiana, ny tolakandron’ny Alahady 15 marsa ho avy izao, ny fanasongadinana ny feomangan’ny roa tonta.

Ny feo ananan’ireto mpanakanto roa ireto no ezahana havoitra mandritra ny « Mifampitantana 2020 », hoy ny tomponandraikitra iray avy amin’ny « Live prod », mpiketrika ny seho. Ankoatra ny fihiran’izy ireo ny sanganasany, ho hita eny an-tsehatra ihany koa ny fampiaraham-peo eo amin’i Poopy sy i Njakatiana. Ny hahatomombana izany no nanosika ny mpikarakara hampiasa fanamafisam-peo goavana sy matihanina miisa roa eny an-toerana. Tsy atao ambanin-javatra, hoy hatrany ireo mpiketrika ny « Mifampitantana » ny lafiny haingon-tsehatra, ny jiro ary ny hazavana ho fanamorana ny fampitana ireo hafatra voarakitra anatin’ireo tononkira ho an’ny mpijery.

Efa an-taonany maro no tsy nahitana an’i Poopy sy i Njakatiana niray sehatra. Nosafidiana manokana, araka izany, izy ireo ho famaliana ny filan’ireo mpankafy. Tanjona ho an’ny « live prod » hatrany ny hanolotra ny kanto sy hampianjaika ny meva ary ny hampiray volo ireo mpanakanto. Misokatra malalaka ho amin’ny fiaraha-miasa ity mpikarakara hetsika ara kolontsaina sy zavakanto ity ho fanandratana avo ny kanto malagasy.

Vous aimerez aussi