FIKAJIANA NY FAHADIOVANA : Goragora ny eto an-drenivohitra

Mampihorohoro ny Malagasy ny fihanaky ny valanaretina coronavirus « Covid- 19 » maneran-tany ankehitriny. Aleo misoroka toy izay mitsabo, hoy isika Malagasy.

Manoloana izany toa vao mainka nihagoragora ny fikajiana ny fahadiovana eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Tsikaritra tato ho ato fa manomboka mitoby indray ireo fako eny amin’ireo daba voatokana hanariana izany. Tsy miasa saina ihany koa ny maro mandrehoka sy manisin-delo manerana ny lalana sy ny arabe izay izorany. Mila mandray andraikitra ho amin’ny fikajiana ny fahadiovana ny isam-batan’olona mba ahafahana misoroka ny fihanaky ny valanaretina toy ny « Covid- 19 ». Tsy tokony ho hadinoina ihany koa fa mbola anatin’ny vanimpotoana mampirongatra ny pesta sy ny tazomoka isika eto Madagasikara. Ho fisorohana izany, mila kajiana fatratra ny lafiny fahadiovana. Tsy ny tontolo manodidina ihany no tokony hadio mandrakariva fa eo ihany koa ny fitandroana ny fahadiovan’ny vatana isanandro vaky mba ho lavitry ny rofy ateraky ny valanaretina . Tsarovy fa ny fanasana tanana matetika anatin’ny andro iray dia efa dingana lehibe hiadiana amin’ny aretina.

Vous aimerez aussi