Mpiadina Bepc miisa 10 amin’ny 71 no niala an-daharana tsy afaka ny hiatrika fanadinana Bepc. Antony ny tsy fahafahan’ny ray aman-dreniny ny saram-pianarana. Efa nisy ny fifampiresahana nataon’ny talen’ny sekoly tamin’ny ray aman-dreny. Anisan’ny olana iray sedrain’ny ray aman-dreny izany, nefa tokony hisy ihany ny fifanatonana, hoy ny Talen’ny sekoly Manampisoatoavina Lalaina Mitahiry Fahendrena. Manimba ny fampianarana ny tranga tahaka izany ary ny ankizy no tena voa mafy. Ho an’ny fanadinana fotsy ho an’ny Bepc dia efa saika nahavita izany ny mpiadina tao amin’ny sekoly, toa izany ihany koa ny Cepe sy ny Bakalorea. Nambaran’ny talen’ny sekoly, fa ao anatin’ny famerenana tateraka ny sekoly amin’izao ary ireo taranja izay mbola tsy hain’ny mpianatra no hamafisina. Eo ihany koa ny fanaovana « traitement » ana sujet taloha. Araka ny fanazavana voaray, dia ny 50% ny fiomanana fanadinana dia efa mipetraka avokoa ary ny 50% dia avy amin’ny ankizy ary mila ezaka avy amin’izy ireo izany. Nanao antso avo ho an’ny ray aman-dreny ihany koa ny talen’ny sekoly, fa dieny izao dia tokony hotohanana ara-tsakafo sahaza azy sy mitondra fitadidiana ny ankizy hiatrika fanadinana. Tohanana ara-moraly sy ara-tsaina ihany koa ny ankizy. Tokony hatao feno ihany koa ny fitaovana sy fitafiana hiatrehana izany fanadinam-panjakana izany, hoy hatrany ny talen’ity sekoly Ampinga d’Or ity.


