“Fa tsara ny mihira ho an’Andriamanitsika ; eny mamy sady mendrika ny fiderana”. Izany tenin’ny Soratra Masina avy amin’ny Salamo faha-147 : 1 izany no nanompanan’ny Sampana Lehilahy Kristiana avy ao amin’ny FJKM Ambohitantely ny hetsika fiderana an’Andriamanitra ho fanamarihana sy fitondrana amim-bavaka ny taom-piasany 2021, izay natao tao amin’ny Fiangonana Ambohitantely, ny tolakandron’ny omaly alahady.

Nanakoako tamin’ny ngadona jazz ny karazan-kira fiderana samihafa, toy ny “Tadiavo Jesoa”, “Mamin’ny foko…”, “Ampy ahy Jesoa”, “Andriamanitra inoako”, “Nandao Anao”, “FF 37”,…izay niangalian’ireo tanora miandahy miambavy avy ao amin’ny Jazz Club CGM.
Noporofoin’ireo tanora fa azo hiderana tsara an’Andriamanitra ny gadon-kira nofinidin’izy ireo ary mbola nanehoany ny talenta nomen’Andriamanitra azy avy. Anisan’izany ny fiangalian’I Manou ny gitara beso, ny hakingan’ny ratsan’I Do ny vata maro afitsoka, ny hakanton’ny fampiaraham-peo moa dia nampitolagaga,…

Izao fotoana nitondrana amim-bavaka ny asa izao moa dia natao ho fangataham-pitahiana amin’ny raharaha mbola hatrehin’ny SLK Ambohitantely. Anisan’izany ny fampitaovana ny sekoly vao naoriny any Malaimbandy ihany, ny fanaovana aroafo amin’ny zanakazo niaraha-novolena tamin’ny Fiangonana teo ihany koa,…
Marihina moa fa nitarika sy nitondra ny tenin’Andriamanitra tamin’ity fotoana ity ny Mpitandrina Ramiandranirina Avotra, Tonian’ny SLK Foibe FJKM.
Nanotrona sy nandray anjara tamin’ity fotoana ity ihany koa moa ny Orkestra Ambohitantely.



