Olona manodidina ny 11 no voasambotra teny Analakely, Petite Vitesse, Soarano ary Ambohijatovo, ny asabotsy teo. Saika ireo mpanohana sy mpiara-dia amin’ny Miara-Manonja ireo voasambotra ireo. Araka ny loharanom-baovao voaray, dia manombonahitra zandary efa misotro ronona na komandà ny iray voasambotra ary voalaza fa nikasa hizara vola izy io, izao voasambotra izao. Avy hatrany no notazonina ary tsy navela nivoaka intsony izy, fa notazonina eny amin’ny sampana ady heloka bevava hatao famotorana. Tsikaritra teny amin’ireo toerana kosa anefa ny fisian’ireo andian’olona nivorivory ary avy hatrany dia naparitaky ny Emmo/Reg. Teny Petite sy Tsaralalana ary Ambohijatovo no nahitana ireo olona nitangorona ireo. Teo ny siotsioka, fandranitana sy esoeso teny natao tamin’ny mpitandro filaminana. Tamin’ny ankapobeny dia nilamina tanteraka ny teny Analakely sy ny manodidina ary ny teny Ambohijatovo. Hatramin’ny 5 ora hariva nialanay teny an-toerana dia mbola tsy nisy nipoitra teny an-kianja ireo mpitarika ao amin’ny Miara-manondrana sy ireo depiote milaza ny hanao tatitra, fa nisitrim-belona, ka ny vahoaka no tadiavina hatao sorona. Aoka tsy hatao sorona intsony ny vahoaka ary aoka tsy hisy intsony ny korontana, hoy hatrany ny fanehoan-kevitr’ireo mpivarotra voatohitohina teny an-toerana.


