Zava-baovao ka nirodorodoan’ny vahoakan’Antananarivo ny hetsika « Takarivan’Iarivo » nokarakarain’ny Kaomina Antananarivo Renivohitra, ny zomà sy sabotsy lasa teo.
Toa tahaka ny zomà mahazatra ihany anefa no tazana satria vitsy dia vitsy ny mpanatalenta nanafana ny takariva tamin’ny alalan’ny fampisehoana hakingana. Tsy nisy kosa ny mpihira mpanatalenta nandrasan’ny maro, ka somary nandiso fanantenana ny vahoaka.
Na izany aza, tonga maro ihany ny mponin’Antananarivo, nanjifa ireo hani-masaka sy zava-pisotro samihafa efa fahita mahazatra. Heverina anefa fa hihatsara kokoa ny fikarakarana aoriana.
Ampiana ny jiro
Ny fanampiana ny jiro eto Antananarivo, ahazoan’ny mponina mivezivezy tsy amin-tahotra amin’ny alina, no anisan’ny zava-baovao nahafaly ny maro.
Koa ny Jirama sy ny Ministeran’ny Angovo no ho tompon’antoka amin’izany.
Tsy hijanona hatreo ihany anefa fa hanomboka ihany koa ny tetikasa fametrahana jiro eny amin’ireo làlam-pirenena manerana ny Nosy, ka anombohana izany ny làlam-pirenena faha-7.
Ny fidinana ifotony nataon’ny Minisitry ny Angovo sy ny Filohan’ny Filankevi-pitantanan’ny Jirama teny Analakely sy ny manodidina no nahafantarana izany. Nijery ny fiovana teny amin’ny araben’ny Fahaleovantena, taorian’ny fametrahana jiro ireo tompon’andraikitra ambony ireo.
12 430 ny takamoa ho soloina
Nanomboka ny 21 desambara lasa teo dia jiro 443 no napetraka teto an-drenivohitra, ka ny 341 tamin’izany no led, ary 102 no mandeha amin’ny herin’ny masoandro.
12 430 kosa ireo andry ho soloina jiro, amin’ireo andrin-jiro mitontaly 17 500 eto Antananarivo Renivohitra. Hisy, noho izany, ny fiaraha-miasan’ny Kaomina Antananarivo Renivohitra sy ity Ministera tompon’andraikitra ity.
Alina tsy sembanan’ny aizina
Tanjona ny hamerina ny fiainana an-kahalalahana amin’ny alina tsy sembanan’ny aizina sy ny tsi-fandriampahalemana, hoy ny Minisitra Christian Ramarolahy . Tokony hiverina ny fiainana amin’ny hariva. Samy mody aloha koa ny olona ka miteraka fitohanana izany.
Asiana ezaka manokana ihany koa ny eto Antananarivo, ahazoana mampisy asa ho fampandrosoana ny toe-karena, satria miteraka asa koa izany.
Nambarany fa hivelatra any amin’ny Faritra rehetra ihany koa ny tetikasa.
Asa alina
Tahaka ny any amin’ny firenena efa tena mandroso dia tahaka ny antoandro ihany ny fivoahan’ny magazay samihafa amin’ny alina.
Mbola ho ela anefa ny hahatanteraka izany eto amintsika raha tsy mbola tena voafehy ny fandriampahalemana. Sanatria ny asa ratsy indray no tena hanjaka.


