Noho ny raharaha « panier garni » mitentina 65.000 ar dia mitokona ny mpampianatra eo anivon’ny liseam-panjakana manerana an’Antananarivo.
Mihamafy koa ny fitokonana ataon’ny mpampianatra mpikaroka noho ny fangatahan’izy ireo tsy mahafapo azy.
Fanodinkodinana
Noho ny fanodinkodinana ny fanomezana mitentina 65.000 ar tokony ho an’ny mpiasan’ny fampianarana eo anivon’ny Fanjakana dia mitokona tsy mampianatra ireo mpiasa rehetra eny amin’ny lisea.
Ny tao amin’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena no anton’ny tsy naha tomombana izany fanomezana izany.
Lasibatra ny mpianatra
Ho an’ny mpampianatra sy ny mpandraharaha etsy amin’ny Lisea Moderna Ampefiloha dia tsy misy afa-tsy 9.300 ar isanisany no nomena ireo mpampianatra nefa nahazo 65.000 ar ireo mpiasan’ny Ministera, izay mpiasam-panjakana ihany koa.
Miisa 201 ny mpiasa ao amin’ny LMA, izay tokony hisitraka io 65.000 ar io, kanefa 1.869.300 ar no natolotry ny Ministera azy raha tokony ho 13.065.000 ar izany.
Koa nambaran’ireo mpampianatra fa miato ny fampianarana mandritra 48 ora mandra-pahazo ny valinteny mahafapo avy amin’ny mpitondra mahefa izay mahavaha ny olana.
Lasibatra tanteraka, araka izany, ny mpianatra, izay tokony hifantoka tanteraka amin’ity telo volana faharoa ity.
Mihidy ny vavahady
Ho an’ny mpampianatra mpikaroka kosa dia nakaton’izy ireo tanteraka ny vavahady.
Nanatanteraka fivoriambe teny Ankatso manko ny Sendikan’ny Mpampianatra Mpikaroka (Seces) Sampana Antananarivo ary nanao fanambarana izy ireo taorian’izany, milaza fa hikatona ny vavahady eny amin’ny anjerimanontolo Ambohitsaina manomboka isaky ny amin’ny 08 ora maraina ka hatramin’ny 04 ora tolakandro. Hisy kosa anefa ny fepetra manokana ho raisina ho an’ny mponina mipetraka marina ao anatin’ny faritry ny oniversite.
Nilaza manko ireo mpitokona fa zara raha misy ny vahaolana azo tsapain-tànana mikasika ireo olan’ny mpampianatra-mpikaroka ary ny Fampianarana Ambony sy Fikarohana ara-tsiansa, voarakitry ny fitakiana miisa fito nataon’izy ireo. Noho izany dia hanamafy ny fitakiana izy ireo mandra-pisian’ny vahaolana mahafa-po.
Taom-baovaon’ny fampianarana
Manoloana izao fitokonana ataon’ny mpampianatra izao dia lasibatra mandrakariva ny mpianatra, izay tokony hifantoka amin’ny fianarana.
Ny mpampianatra mihitsy ve no diso fitakiana sa ny tompon’andraikitra no tsy maha-vaha olana ?


