TRIBONALY MISAHANA NY ADY AMIN’NY FANJAKANA : Nahasarika olona ny fifampitorian’ny TIM sy IRD

Tontosa io maraina io ny fitsarana ny fitoriana samihafa mahakasika ny fifidianana Ben’ny Tanàna sy Mpanolontsaina, ny 27 novambra lasa teo. Antontan-taratasy miisa 149 no nokirakirain’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny Fanjakana nandritra izany.

Ny faran’ny herinandro lasa teo no niakatra Fitsarana ny 135 tamin’ireo fitoriana voarain’ity Tribonaly ity, ary ny  maraina teo, tamin’ny 8 ora sy sasany kosa ny 14 ambiny, ka anisan’izany ny an’ny kandidà Ny Riana Andriamasinoro, kandidà  Ben’nyTanàna TIM eto Antananarivo Renivohitra, izay nitory ny kandidàn’ny IRK, Naina Andriatsitohaina, izay nahavory olona maro tokoa.

Tsy fanaraha-dalàna

Ny tsy fanarahan-dalàna nisy teo amin’ny boriboritany 6 teto an-drenivohitra no vontoatin’ny fitoriana ka nangatahana ny fanafoanana ny fifidianana. Angatahina, araka izany, ny hanaovana fifidianana vaovao ka ny lisi-pifidianana tamin’ny fifidianana Solombavambahoaka, ny 27 mey lasa teo  ihany no ampiasaina amin’izany.

Ny Mpisolovava Andriamadison Hasina sy Ratefimahefa Mijoro no niaro ny kandidà Ny Riana Andriamasinoro, ary ny Mpisolovava Nicole Andrianarivoson kosa ny an’ny kandidà Naina Andriatsitohaina, izay tsy tonga nanatrika ny fotoam-pitsarana.

Anisan’ny nandalo teny amin’ny Fitsarana ihany koa ny raharaha nitorian’ny kandidà Guy Rivo Randrianarisoa, kandidàn’ny TIM ao Antsirabe I. Nitory ny kandidà Rasamimanana Honoré Gabriel, avy amin’ny IRD ity kandidàn’ny TIM ity noho ny tsy fanarahan-dalàna ihany, ka mangataka ny hamerenana ny fifidianana koa.

TIM sy IRD

Marihina moa fa ny ady eo amin’ny antoko TIM sy ny IRD no nibahan-toerana teo amin’ny ankamaroan’ny raharaham-pitsarana.

Ny zomà ho avy izao, amin’ny 10 ora maraina no hamoaka ny voka-pitsarana sy ny valim-pifidianana ity Fitsarana ity, ho an’ny eto an-drenivohitra.

Saika naharaisana fitoriana avokoa moa ny distrika eto Antananarivo, ankoatra ny ditrikan’i Fenoarivobe, ka fanafoanana ny voka-pifidianana manontolo na ny ampahany no nangatahana tamin’izany.

Ho an’ny faritanin’i Toamasina kosa dia hivoaka izao tolakandro izao ny vokatra ofisialy. Ny an’ny faritanin’Antsiranana kosa dia ny zomà ho avy izao koa.

Vous aimerez aussi